Communiqué du Ministère de l’Europe et des Affaires étrangères

Communiqué du MEAE du 9 janvier 2019 à la suite de la proclamation de la Haute Cour Constitutionnelle malgache

Madagascar – Election présidentielle (8 janvier 2019)

La Haute cour constitutionnelle (HCC) malgache a proclamé le 8 janvier les résultats définitifs de l’élection présidentielle.

La France félicite chaleureusement le président Rajoelina pour son élection et lui adresse ses vœux de pleine réussite.

Nous saluons le rôle décisif du gouvernement, de la Commission électorale nationale indépendante et de la Haute cour constitutionnelle dans le bon déroulement de cette élection, qui représente une étape fondamentale dans la consolidation de la démocratie à Madagascar.

Nos deux pays, unis par des liens historiques et humains denses, sont voisins dans l’océan Indien. Au nom de cette proximité et de cette solidarité, la France est désireuse d’accompagner le président élu et le peuple malgache dans leur lutte contre la pauvreté, contre la corruption et dans leur aspiration à la sécurité et au développement.

Jean-Baptiste Lemoyne, secrétaire d’État auprès du ministre de l’Europe et des affaires étrangères, représentera la France à la cérémonie d’investiture du nouveau président malgache.

Madagasikara - Fifidianana filoham-pirenena (8 Janoary 2019)

Nanambara ny vokatra ofisialy momba ny fifidianana filoham-pirenena ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana malagasy (HCC) ny 8 janoary

Miarahaba amin’ny fomba manetriketrika ny filoha Rajoelina i Frantsa noho izy voafidy filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara ary maniry fahombiazana feno ho azy eo amin’ny fanantanterahany ny asany.

Mankasitraka ny andraikitra mavitriky ny Governemanta, ny Vaomieram-pirenena mahaleotena momba ny fifidianana ary ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana satria nizotra an-tsakany sy an-davany ny fifidianana , izay maneho ny dingana fototra amin’ny fanamafisana ny demokrasia eto Madagasikara.

Ny firenentsika roa tonta, izay manana fifamatorana mafonja ara-tantara sy ara-olombelona, dia mpifanolo-bodorindrina eto amin’ny Ranomasimbe Indianina.

Amin’ny anaran’izay fifanakaikezana sy firaisankina izay, dia maniry i Frantsa ny hiara-dia amin’ny filoham-pirenena voafidy sy ny vahoaka malagasy amin’ny ady ataon’izy ireo amin’ny fahantrana, amin’ny kolikoly ary amin’ny hetahetany hiaina filaminana sy fampandrosoana.

Jean-Baptiste Lemoyne, sekreteram-panjakana eo amin’ny Minisitry ny Eoropa sy ny Raharaham-bahiny, no hisolo tena an’i Frantsa amin’ny lanonam-pianianan’ny Filoha Malagasy vaovao ./.

Dernière modification : 09/01/2019

Haut de page