Fanaovan-tsonia ny fifanarahana fanomezana fanampiana ara-bola miaraka amin’ny Tahiry Famatsiam-bola malagasy ho Fampiofanana ny Mpiasa.
Ny Tahiry Famatsiam-bola malagasy ho Fampiofanana ny Mpiasa (FMFP) dia natsangana ny taona 2017 noho ny fanohanan’ny AFD , ary nosantarina tamin’ny fomba ofisialy ny volana marsa 2019. Ny tanjony dia ny hamatsy ara-bola ny fiofanana mitohy ho an’ny mpiasa malagasy ary ny hanamafy ny fahafahana mampiasa tanora sy ny vahoaka marefo, ary indrindra mba ho fanatsarana ny fahafahan’ ireo orinasa mifaninana eto Madagasikara .
Ny fifanarahana natao sonia androany teo amin’ny Christophe Bouchard, Masoivohon’i Frantsa izay misolo tena ny AFD, ary ny FMFP dia mamela an’io Tahiry io ampiasa malalaka ny famatsiam-bola ilainy amin’ny asany, ao anatin’izany ny vola fanampiana mitentina 2 tapitrisa euro avy amin’ny Vondrona Eraopeanina. Amin’ny farany, ary amin’ny alalan’ity Tahiry ity, dia olona 25 000 no hahazo fiofanana fohy araka ny fahaizana ilaina ary ivon-toeram-Fampiofanana 75 no hahazo tohana ara-bola.