Haverin’i Frantsa amin’ny Repoblikan’i Madagasikara ny singa fampihaingona ny tataom-pandriananan’ny Mpanjakavavy Ranavalona III .

Famerenana ny singa fampihaingona ny tataom-pandriananan’ny Mpanjakavavy Ranavalona III amin’ny Repoblikan’i Madagasikara.

Araka ny teny nifanomezan’ny Filoha anankiroa Atoa Emmanuel Macron sy Atoa Andry Rajoelina, dia averin’i Frantsa an’i Madagasikara, araka ny fifanarahana nosoniavin’ny tany roa tonta, ny singa fampihaingona nandravaka ny tafo boriborin’ny tataom-piandrianan’ny Mpanjakavavy Ranavalona III.

Naranty tao amin’ny Musée des Armées français nanomboka tamin’ny 1910 ity singam-panjakana vita amin’ny metaly mivolom-bolamena sy vilory ary manana endrika tatao ity, ka teo ambany izany ny mpanjaka vavy Ranavalona I sy Ranavalona III no niresaka tamin’ny vahoaka nandritra ny lanonan-dehibe antsoina hoe "Kabary Miezinezina".

Ity fifanarahana ity dia tafiditra ao anatin’ny dingana famerenana an’io fananana ara-kolotsaina io eto Madagasikara, izay mariky ny tantara Malagasy. Manome toky i Frantsa fa hanafaingana ny fe-potoana fanantanterahana ny fomba mialoha hahafahana manao ny famindram-pananana an’ity tatarom-piandrianina ity amin’i Madagasikara.

Izao hetsika dia manamafy ny finiavana iraisan’ireo tompon’andraikitra ny firenena roa tonta hanohy sy hampitombo hatrany amin’ny sehatra rehetra fiaraha-miasa maharitra sy manan-daja tokoa.

JPEG

Dernière modification : 04/11/2020

Haut de page