La France dépêche une équipe de médecins pour contribuer à la constitution d’un SAMU Peste à Tananarive

(Eto ambany ny Dikan-teny malagasy )
En réponse à la demande d’assistance des autorités malgaches pour structurer un « Samu Peste » à Tananarive, la France, forte de son expérience, dépêche sur la Grande île une équipe pour contribuer à la création de ce nouveau service.

Sollicitée par l’Ambassade de France à Antananarivo, la cellule de crise et de soutien (CDCS) du Ministère français de l’Europe et des Affaires étrangères a établi un examen rapide de la requête de Madagascar et réagi promptement pour rendre la riposte à l’épidémie la plus efficace possible.

Une équipe composée du Dr Yves PONCELIN DE RAUCOURT et du Dr Alban FOREL, médecins urgentistes, accompagnés de Mme Thérèse DARMEDRU, infirmière en anesthésie-réanimation, sera placée sous la gestion directe du Ministère de la Santé de Madagascar afin de constituer un dispositif de type SAMU. Essentiel pour la qualité et l’efficacité de la riposte dans la capitale et déterminant pour parvenir à enrayer la progression de l’épidémie, ce dispositif permettra de contribuer à une prise en charge plus rapide et structurée des cas suspects et au contingentement de l’expansion de la maladie.

La mise en place d’un « Samu Peste » vise à donner une cohérence à l’ensemble des mesures déjà prises par les autorités malgaches concernées, notamment la mise en service d’un nouveau numéro centralisé « urgence peste 910 » et la coordination à Tananarive par le ministère malgache de la santé d’un dispositif de 6 cliniques mobiles (ambulances) pour prendre en compte les cas suspects.

L’équipe rencontrera l’Ambassadeur de France à Madagascar, Mme Véronique VOULAND-ANEINI, le 20 octobre.

JPEG - 4.4 Mo
Mme Thérèse DARMEDRU, infirmière en anesthésie-réanimation, et le Dr Yves PONCELIN DE RAUCOURT, médecin urgentiste, lors d’une réunion avec le Dr Cédric BELLEVILLE, Médecin chef du CMS, le Dr Charlotte DÉZÉ, Conseillère Régionale Santé de l’Ambassade de France, et Mr Andrzej ROGULSKI, Conseiller de Coopération et d’Action Culturelle de l’Ambassade de France. © Service presse de l’Ambassade de France à Madagascar

Nandefa ekipa mpitsabo handray anjara amin’ny fametrahana SAMU hiandraikitra ny pesta eto Antananarivo i Frantsa

Ho valin’ny fangatahana fanampiana avy amin’ny manam-pahefana malagasy hametraka « Samu pesta » eto Antananarivo, noho ny traikefa hananany dia mandefa ekipa eto Madagasikara i Frantsa, handray anjara amin’ny famoronana ity sampana vaovao ity.

Ny ambasady frantsay eto Antananarivo dia nandefa fiangaviana tamin’ny sampan-draharaha ny krizy sy ny fanohanana (CDCS) eo anivon’ny Minisitera frantsay miandraikitra ny Eoropa sy ny Raharaham-bahiny izay nandinika tsy misy hatak’andro ny fangatahan’i Madagasikara ary nihetsika avy hatrany mba hanoherana ny valan’aretina amin’ny fomba mahomby indrindra.

Ny ekipa ahitana ny Dr. Yves PONCELIN NY RAUCOURT sy Dr. Alban FOREL, mpitsabo vonjy taitra, miaraka amin’ny Ramatoa Thérèse DARMEDRU, mpitsabo mpanampy (infirmière) amin’ny fanatoranana-famelomana , dia hiasa eo ambany fitantanana mivantana ny Ministeran’ny Fahasalamana eto Madagasikara mba hamorona rafitra karazan’ny SAMU . Tena ilaina ho an’ny kalitao sy ny fahombiazan’ny fanoherana eto an-drenivohitra ary manan-danja mba hampitsaharana ny fielezan’ny valan’aretina ity rafitra ity satria dia afahana mandray an-tanana amin’ny fomba haingana kokoa sy mirafitra ny tranga mampiahiahy sy ny fanakanana ny fihanaky ny aretina.

Ny tanjona amin’ny fametrahana ny "Samu Pesta" dia ny hanome endrika mirindra an’ireo fepetra rehetra amin’ny ankapobeny efa noraisin’ny manam-pahefana malagasy tompon’andraikitra eto Madagasikara, anisan’izany ny fisian’ny laharana an-taromby tokana vaovao "910 pesta vonjy taitra" sy ny fandrindrana eto Antananarivo ataon’ny Ministera malagasy ny fahasalamana amin’ireo toeram-pitsaboana azo afindra miiasa 6 (fiara mpamonjy voina) mba handray an-tanana ny tranga mampiahiahy.

Hihaona amin’ny Masoivohon’i Frantsa eto Madagasikara, Ramatoa Véronique Vouland-ANEINI io ekipa io amin’ny 20 oktobra.

Dernière modification : 18/10/2017

Haut de page