Lettre du Président de la République adressée à S.E. M. Andry Rajoelina Président de la République de Madagascar

Lettre du Président de la République adressée à S.E. M. Andry Rajoelina Président de la République de Madagascar

(texte ci-dessous en Français et en Malgache)

JPEG

Cher Monsieur le Président,

Je tiens à vous adresser mes chaleureuses félicitations pour votre élection et, à travers moi, celles du peuple français tout entier. Par ce choix, le peuple malgache a très clairement affirmé les espoirs qu’il plaçait en vous.

Je mesure l’ampleur des défis que Madagascar devra relever ces prochaines années pour assurer son développement économique et éradiquer la pauvreté. Je tiens à vous assurer du soutien de la France, partenaire historique, voisin et ami de Madagascar, dans les réformes que vous entreprendrez pour atteindre ces objectifs. Soyez certain de ma détermination à densifier nos relations politiques, mais aussi économiques et culturelles, qui reposent sur des liens historiques et humains forts.

Je vous remercie sincèrement pour votre invitation à votre cérémonie d’investiture qui se tiendra à Tananarive le 19 janvier. Je ne pourrai malheureusement pas y être présent. J’ai demandé au secrétaire d’État auprès du Ministre de l’Europe et des Affaires étrangères, Jean-Baptiste LEMOYNE, de me représenter pour cet évènement. Je serai ravi de vous accueillir à Paris pour renforcer et donner un nouveau départ à notre partenariat.

En vous renouvelant mes plus vives félicitations ainsi que tous mes vœux de succès, je vous prie de croire, Monsieur le Président, en l’expression de ma très haute considération.

Cordialement,
Emmanuel MACRON


Ny Filohan’ny Repoblika

Parisy, faha 14 janoary 2019,

Ho an’Andriamatoa Filoham-pirenena ,

Amin’ny anarako manokana sy amin’ny anaran’ny vahoaka frantsay manontolo dia faly miarahaba anao ny tenako amin’izao nahavoafidy anao ho filoham-pirenena izao. Amin’io safidy io, ny vahoaka Malagasy dia nampisongadina mazava tsara ny fanantenana napetrany taminao.

Tsapako ny hagoavan’ny fanamby izay tsy maintsy hatrehan’i Madagasikara mandritra ny taona maro ho avy , mba hiantohana ny fampandrosoana ara-toekarena ary hamongorana ny fahantrana. Tiako ny hanamafy ny fanohanan’i Frantsa, izay mpiara-miombon’antoka ara-tantara, mpifanolo-bodirindrina ary naman’i Madagasikara, amin’ny fanavaozana izay hataonao mba hahatratrarana ireo tanjona ireo. Matokia ianao fa manana finiavana ny tenako hanamafy ny fifandraisantsika ara-politika, fa koa ny lafiny ara-toekarena sy ara-kolontsaina, izay mifototra amin’ny fifandraisana mafy orina ara-tantara sy ara –olombelona.

Misaotra betsaka amin’ny fanasana ny tenako hanatrika ny lanonam-pianianana izay hatao any Antananarivo ny 19 Janoary ho avy izao . Saingy tsy afaka manatrika izany ny tenako. Ny Sekreteram-panjakana ao amin’ny Minisitry ny Eoropa sy ny Raharaham-bahiny, Atoa Jean-Baptiste LEMOYNE, no hisolo tena ahy mandritra ny lanona. Ny tenako kosa dia faly handray anao aty Parisy, hanamafy sy hanome aina vaovao ny fiaraha-miasa antsika.

Mamerina ny fiarahabana feno atolotro ho anao Andriamatoa Filoham-pirenena, sy ny firariantsoa fahombiazana amin’izay rehetra atao ./.

Emmanuel MACRON

Dernière modification : 15/01/2019

Haut de page