Mpanan-talenta siantifika afrikanina vao misondrotra : Fitaomana filatsahana ho mpifaninana

Mampisongadina ny kolontsainan’ny kaontinanta afrikanina i Frantsa ny taona 2020 ka manokana ny vanim-potoanan’ny kolontsaina Africa 2020 ho an’i Afrika, izay hatao any Frantsa manomboka ny 1 Desambra 2020 ka hatramin’ny tapaky ny Jolay 2021.

Noho izany, ny Universcience, izay andrim-panjakana manambatra ny Cité des sciences et de l’Industrie ary ny Palais de la Découverte any Parisy, anisan’ireo sangany amin’ireo ivon-toerana siantifika eropeanina lehibe indrindra, dia nikasa ny hanokana ny ampahany amin’ny fandaharam-potoanaby ho an’i Afrika.

Ny tetik’asa fanibohana "mpanan-talentasiantifika afrikanina vao misondrotra "dia tafiditra amin’ny fandaharam-potoana ofisialy ny hetsika.

Ny mpandresy amin’ny fifaninanana dia hasaina handray anjara amin’ny Herinandron’ny mpanan-talenta siantifika afrikanina vao misondrotra ny 7 ka hatramin’ny 12 feb 2021 any Frantsa ao amin’ny Cité des Sciences et de l’Industrie. Ho raisina an-tanana tanteraka ny fandraisan’anjaran’izy ireo. Ireo mpanan-talenta vao misondrotra 45 voafantina dia handray anjara amin’ny atrikasa izay fotoana hafahana mihaona amin’ireo matihanina ny sehatry ny fanabeazana, ny fanavaozana, ary ny fanelanelanana hiresahana momba ny fampitana ny kolontsaina siantifika ary koa ireo tetik’asa izay manentana azy ireo any amin’ny fireneny.

Azon’izy ireo atao ihany koa ny mampahafantatra an’ireo matihanina ny Universcience sy ny mpiara-miombon’antoka amin’ny andrim-panjakana ny votoantin’asan’izy ireo na ny fikarohana natao amin’ny endrika "Ma thèse en 180 secondes".

Misokatra ho an’ny tanora sientifika afrikanina, feno taona ao amin’ny fireneny ary latsaky ny 35 taona, izay manan-talenta ara-tsiantifika ary maniry ny hampitaha ny zavatra niainany amin’ireo tanora hafa mitovy zavatra mahaliana aminy ny laminasa.

Raha te handray anjara amin’ity laminasa tsy manam-paharoa ity ianao ary te hafantatra tanora hafa manerana ny kaontinanta afrikanina izay mitovy zavatra mahaliana aminao, fenoy alohan’ny 30 Oktobra ny taratasy fangatahana firotsahana ary alefaso any amin’ny Sampan’ny coopération et d’action culturelle.

Ny antontan-taratasy firotsahana, eto.

Dernière modification : 26/10/2020

Haut de page